| Entry | 1 Ny Varavarankelinao |
| Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 3 Literature: poems |
| Author |
4 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Full text |
5 6 Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako 7 Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely 8 Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako 9 Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely. 10 Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany, 11 Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa ! 12 Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany 13 Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo… 14 Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao… 15 Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ? 16 Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena… 17 Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao, 18 Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao. 19 Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena. |
| Updated on 2025/11/17 |
|